Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Boeny ary Atsimo Atsinanana

👉 VAKINANKARATRA sy AMORON’I MANIA : Anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fandrafetana ny drafi-pampandrosoana ny seha-pamokarana iantohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara ny zoma 27 mey 2022 lasa teo ihany koa ny DRICC. Tafiditra anatin’ireo fehin-kevitra noraisina nandritra ny atrikasa lehibe ny fametrahan’ny MICC ny TANINKETSA INDOSTRIALY izay manome lanja ny famokarana ifotony.
👉 BOENY : Kaoperativa misehatra amin’ny famokarana sy fanodinana landy miisa efatra ( Fanilo, Tafitasoa, Avotra ary Ezaka) no nisitraka fampiofanana momba ny fitantanana kaoperativa sy fikajiana masonkarena ny 24 hatramin’ny 27 mey 2022 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Boanamary. Notolorana taratasy fanamarinam-piraketana izy ireo taorian’ny fampiofanana.
👉ATSIMO ATSINANANA : Toeram-pivarotana maherin’ny roapolo tao Farafangana no notsidihin’ny ekipan’ny DRICC Atsimo Atsinanana ho fanaraha-maso ny fanajana ny fepetra famerana ny vidin’entana ambony indridra tamin’ny 27 mey 2022 lasa teo. Tsikaritra tamin’izany fa nanaraka ny toromarika ny mpivarotra any an-toerana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...