Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Vakinankaratra sy Atsinanana

👉VAKINANKARATRA : Tontosa omaly 30 Marsa 2022 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Talem-paritra (DRICC) teo aloha,Andry RANDRIAMIARAMAHEFA sy ny Talem-paritra vaovao, Mamitiana Olivia RANAIVOSOA. Nanatrika ny famindram-pitantanana tany Antsirabe ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny MICC.

👉ATSINANANA : Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny 30 marsa 2022 ny fandaharanasa PROSPERER tany amin’ny faritra.

Niasa nandritra ny 8 taona teo anivon’ny Distrika miisa 4 (Toamasina II, Brickaville, Vatomandry ary Mahanoro) tao amin’ny Faritra Atsinanana ny fandaharasana PROSPERER ary niara-niasa tamin’ny DRICC any an-toerana. Tetik’asa maro no niarahan’ny roa tonta indrindra teo amin’ny fanohanana sy fampandrosoana ary fampivoarana ny tontolon’ny fandraharahana any ambanivohitra any amin’ny faritra toy ny fampiofanana, ny famatsiam-bola ary fampahaizan’asa eo amin’ny kaoperativa.

Vous aimerez aussi...