Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Vakinankaratra sy Betsiboka

👉VAKINANKARATRA : Kaoperativa roa miroso amin’ny maha-matihanina kokoa.

Nisitraka fampiofanana sy fanamafisana traikefa tao Antsirabe II (kaominina Antsoantany sy kaominina Ibity) izy ireo. Misehatra amin’ny fiompiana akoho sy fanodinana menaka azo avy amin’ny zava-maniry (huile essentielle) moa ireto kaoperativa ireto. Mandray anjara feno amin’ny fanomezan’asa ho an’ny mponina ifotony ireo kaoperativa ireo ary tokantrano miisa 162 no misitraka izany.

👉BETSIBOKA : Mbola nahitana mpaninjara namatra siramamy sy lafarina tamin’ny kapoaka tany Maevatanana. Ninia nandika ny fepetra efa napetraka izy ireo. Rehefa nohamarinina dia tsikaritra fa mihoatra lavitra ny tokony ho izy ny vidin’ny siramamy sy lafarinina rehefa avadika amin’ny kilao. Nandray fepetra avy hatrany ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra ka natsahatra ny fampiasana ny kapoaka amin’ny famarana ny PPN ankoatra ny vary. Nanaraka avy hatrany izany lamina izany ireo mpaninjara voakasika ary nampidina ny vidin’entana anatin’ny fanajana ny vidy farany ambony napetraky ny Fitondram-panjakana.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...