Vaovaon’ny Distrikan’i SAKARAHA: vato sarobidy voavoatra no ho amidy

Miavaka amin’ny fitrandrahana vato sy fivarotana izany amin’ireo mpividy tonga any an-toerana mihitsy i Sakaraha. Nambaran’ny minisitra Edgard Razafindravahy androany raha nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy mpandraharaha teratany ao Sakaraha izy fa efa nisy ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ny masoivohon’i Inde ka ho vokatra voavoatra no hamidy. ” Tokony hisy ozinina mpanodina ireo vato sarobidy hosokafana. Hisy famindrana traikefa, fahaiza-manao sy fanofanana fa tsy hoe mividy vato dia lasa ireo olona ireo”, hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana nanoloana ny loholona Tsiebo Mahaleo.
Tonga ao Sakaraha koa ny Vary Mora.

#Velirano7

Vous aimerez aussi...