Vaovaon’ny faritra : Anosy

An-dalam-pahavitana ny fanorenana ny orinasa hanodina fary ho siramamy eny amin’ny fokontany Tsiagnoriha, Kaominina Ambanivohitr’i Mahatalaky amin’izao fotoana izao. Ny fanorenana indostria any amin’ny faritra dia tafiditra indrindra ao anatin’ny politika sy laharam-pahamehan’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa tanana. Famatsiam-bola avy tamin’ny Vondrona Eropeanina tamin’ny alalan’ny ONUDI, miaraka amin’ny tantsoriky ny CMCS na “Centre Malgache de la Canne à Sucre” moa izany fananganana izany.
Tonga nijery ifotony ny fizotry ny asa ny governoran’ny Faritra Anosy Atoa HATREFINDRAZANA Jerry sy ny Talem-paritry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa-tanana Atoa RANDRIANAMBININA Celestin Emmanuel ny 29 janoary lasa teo.
Izany no natao dia ny mba hanafainganana ny fahavitan’ny asa mba hahafahana manao andrana ara-teknika ka hieritreretana ny ho fampandehanana amin’izay ny fotodrafitr’asa mba hiteraka tombotsoa ho any Faritra.
Marihina fa efa vonona ny fary ary efa mavitrika koa ireo kaoperativa misahana izany fambolena izany.
60 isa eo ny mpiasa ho raisina amin’ny fanodinana ny orinasa rehefa vita ny asa fanorenana.

Vous aimerez aussi...