Vaovaon’ny faritra ATSIMO ANDREFANA: nisokatra androany tamin’ny fomba ofisialy ny Tsena Mora any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Tao amin’ny Fokontany Antaninarenina, Kaominina Toliara Renivohitra no nanombohana ny Tsenam-bahoaka any an-toerana. Marobe ny mponina tonga tao amin’ny toeram-pivarotana hanjifa Vary Tsinjo. Mbola hitohy ary hivelatra amin’ny toeram-pivarotana maro samihafa ny Tsena Mora hanamaivanana ny fahasahiranana eo amin’ny andavanandron’ny mponina.