Vaovaon’ny Faritra Boeny: nisokatra ny 7 Jona 2023 ny taom-pamokarana sy fanondranana lojy fotsy

Vokatra fanondrana reharehan’ny faritra Boeny ny Lojy fotsy. Somary nisy fihenany kely anefa ny vokatra tato anatin’ny roa taona lasa noho ny fisian’ny biby kely nanimba ny voly sy ny fiantraikan’ny krizy COVID 19 teo amin’ny fandefasana ireo vokatra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Tamin’ny Alarobia 07 Jona 2023 no nisokatra ny taom-pamokarana sy fanondranana lojy fotsy any amin’ny faritra.
Efa nanomboka ny volana Aprily 2023 ny fandraisana ny taratasy fangatahana fankatoavana ho an’ny magazay fikirakirana ny vokatra any amin’ny faritra. 7 kosa ireo mpandraharaha nanatitra ny atontan-taratasy fangatahana ny fanamarinana maha-mpanondrana hatreto.
Ho an’ny DRICC manokana dia anisan’ny asa sahaniny ny fanentanana ny mpisehatra amin’ny fanaran-dalàna sy ny fanaraha-maso ny tsena ary ny fizohiana ny kalitaon’ny entana aondrana.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...