Vaovaon’ny faritra BOENY: Siramamy 1085taonina no filàn’ny mpamongady any an-toerana mandritra ity volana marsa ity hatramin’ny volana may 2022.

Nifampidinika momba ny fandrindrana ny famatsiana siramamy ao amin’ny Faritra Boeny ny DRICC sy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny orinasa SUCOMA ary ireo mpamongady PPN any Mahajanga omaly 02 marsa 2022. Nojerena manokana ny famatsiana manomboka ny volana marsa hatramin’ny volana may 2022. 1085taonina ny filàn’ny mpamongady any an-toerana mandritra io fotoana voafaritra io.
Nambaran’ny orinasa SUCOMA fa 2900taonina ny tahiry misy sy hanampiana ireo famokarana manaraka entina hamatsiana ny Faritra Boeny sy faritra hafa.

Vous aimerez aussi...