Vaovaon’ny faritra : Diana

Tao aorian’ny fisokafan’ny lalam-pirenena faha-6 dia tsikaritra fa nidina ny vidin’ny entana fampiasa andavanandro hoharina tamin’ny vidiny tamin’ny herinandro lasa. Ny fidinana tsy miato ataon’ny talem-paritry ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana sy ny mpiara-miasa aminy ao an-toerana eny amin’ny tsena dia nahitana fidinan’ny lafarina (3.500 Ar lasa 2.400 Ar ny kilao), ovy (5.500 Ar lasa 3.000 Ar ny kilao), voatabia (12.000 Ar lasa 7.000 Ar ny kilao. Ny siramamy sy ny menaka kosa dia azo lazaina ho tsy nahitana fiovany na dia nandritry ny fotoam-pahasarotan’ny famatsiana ny entana fampiasa andavanandro sasany.

Vous aimerez aussi...