Vaovaon’ny faritra Diana:750 Ar ny kapoakan’ny vary any Nosy Be
750 Ar ny kapoaka amin’ny Vary nafarana amin’izao fotoana izao any Nosy Be raha 130 000 Ar ka hatramin’ny 135 000 Ar ny iray gony. 750 Ar hatramin’ny 850 Ar ny iray kapoaka amin’ny Vary gasy raha amidy 140 000 Ar hatramin’ny 170 000 Ar ny gony. 1300 Ar hatramin’ny 1600 Ar kosa ny kapoakan’ny Vary “Madame Rose”. Izany hoe ambin’ny tahiry tamin’ny taon-dasa io izay efa kely sisa. Amin’ny volana Mey sy Jona vao mitobaka eny an-tsena indray ny “Madame Rose”. Miparitaka eny an-tsena ao Nosy Be moa ankehitriny ny Vary gasy avy any Mampikony, Bealanana ary Ambilobe ka tsy misy atahorana ny famatsiana. Nidina teny an-tsena ny ekipan’ny CICC Nosy Be omaly Alarobia 20 Avrily 2022 nanao ny fanaraha-maso.
Sary CICC Nosy Be