Vaovaon’ny faritra Ihorombe: Hohamafisina ny fanaraha-maso eo amin’ny fanangonana sy famoaham-bokatra ao amin’ny Faritra
“Malalaka ho an’ny mpandraharaha ara-toekarena rehetra ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra raha toa ka mamaly ny fepetra ara-dalàna rehetra (taratasy ara-barotra toy ny taratasy filazam-bidy) ny mpandraharaha” hoy ny Talem-paritra (DRICC) Ihorombe.
Nanatrika atrikasa ny tenany niaraka tamin’ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena any amin’ny Faritra Ihorombe omaly 09 febroary 2022.