Vaovaon’ny faritra Menabe:Nandalo fitsarana ireo fitaovam-pandanjana ampiasan’ireo mpivarotra ao Morondava.
Naharitra 15 andro ny hetsika fitsarana fitaovam-pandanjana tao amin’ny Distrikan’i Morondava ka nifarana omaly 19 avrily 2022 izany. 115 isa ireo fitaovana voatsara ka 111 tamin’ireo no nila fanamboarana teo anivon’ny mpanamboatra fitaovam-pandajana nahazo fankatoavana avy amin’ny MICC. Hitohy ny hetsika ataon’ny DRICC ary ireo tsena ao amin’ny Distrikan’i Belo sur Tsiribihana indray no hisitraka ny fitsarana fitaovam-pandanjana manaraka. Vinain’ny Fitaleavam-paritra ho manodidina ny 150 isa ireo fitaovana ho tsaraina.
Tafiditra anatin’ny fitsinjovana ny tombontsoan’ny mpanjifa ny hetsika tahaka izao.
Sary DRICC Menabe