Vaovaon’ny faritra Vatovavy: ho tonga rahampitso 10 febroary 2022 ihany ny vary ho an’i Nosy Varika

Vary 34 taonina no ho tonga any Nosy Varika. Ny fanondranana an-dranomasina ny entana, hiainga avy any Mahanoro rahampitso no hita fa ahafahana miantoka ny famatsiana an’ity distrika anisan’ny nitondra faisana noho ny fandalovan’ny rivo-doza BATSIRAI ity. Tsy mitsahatra mikaroka hevitra moa ny Minisitra Edgard Razafindravahy noho ny fahatapahan’ny lalana an-tanety. Any an-toerana mandray ny Vary ny mpamita iraka avy amin’ny Minisitera tarihin’ny Talen’ny Kabinetra sy ny Tale Jeneralin’ny Varotra sy ny Fanjifana.

Vous aimerez aussi...