Vaovaon’ny faritra

Vaovaon’ny faritra : Efa miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana entana fampiasa andavanandro amin’ny faritra maro eto Madagasikara, rehefa vita ireo fanarenana natao tamin’ny lalam-pirenena niaran’ny fahavoazana tao aorian’ny andro ratsy mahery andro vitsy lasa izay.
Isan’izany ny ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro izay voavatsy solika nanomboka tamin’ny talata hariva.
Tonga tao Maintirano, faritra Melaky ihany koa ny sambo mpamatsy nitondra ny entana avy any Mahajanga ka nahafahana namatsy ny mponina ao an-toerana nanomboka tamin’ny talata teo.

Mitohy hatany ny fampitam-baovao avy eny amin’ny faritra eto amin’ny pejy, indrindra mahakasika ny famatsiana entana fampiasa andavanandro sy ny fanaraha-maso ataon’ireo biraom-paritry ny Minisitera.

Vous aimerez aussi...