Varotra ary ny Asa Tanana

Manohana feno ny mpanao asa tanana Malagasy ny Minisiteran’ny Indostria, Varotra ary ny Asa Tanana ka isan’ny iraka tanterahiny amin’izany ny fanotronana delegasiona ho an’ny Tsena be iraisam-pirenena izay atao any Inde ny 3 ka hatramin’ny 8 febroary.
Ny delegasiona solotenan’i Madagasikara dia nizara roa, ka ny andiany voalohany dia nandeha ny 1 febroary lasa teo niaraka tamin’ny ireo mpanao asa tanana avy amin’ny faritra Atsinana, Analamanga, Boeny ary Diana.
Ny andiany faha-2 kosa izay tarihan’ny talen’ny fampiroboroboana ny fampandrosoana ny sampam-pamokarana dia nihazo ny Inde ny alatsinainy 10 Febroary 2020, miaraka amin’ny mpanao asa tanana roa misolo tena ny faritra Haute Matsiatra sy Menabe.
Mpitsidika an’arivony no tonga teo amin’ireo mpanao fampirantiana malagasy avy amin’ny sehatry ny asa tanana, izay mpisehatra eo amin’ny lamba, fikirakirana fasika an-tavoahangy, famokaran-tsakafo sy akora voajanahary

Vous aimerez aussi...