Varotra fanondrana sy fanodina: Nizaha ny traikefan’ireo orinasa any Toamasina ny ekipan’ny DRICC Atsimo Atsinanana

Orinasa dimy ao Toamasina no notsidihan’ny delegasiona avy any Atsimo Atsinanana nahitana ireo mpiara-miasa ao amin’ny DRICC, avy amin’ny Faritra ary ny mpiara-miombon’antoka. Tanjona ny fijerena ny traikefan’ny hafa satria hiroso bebe kokoa amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra fanondrana ny any Atsimo Atsinanana. Nahaliana azy ireo koa ny momba ny fanodinana ny vokatra, indrindra ny vokatry ny fambolena, ho lasa entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro hamaliana ny filan’ny mpanjifa.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...