Varotra iraisam-pirenena:Nanomboka androany eto Antananarivo ny fivoriana teknika momba ny fifanarahana ara-barotra sy ara-toekarena miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana

Tanjona ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy famaliana ny filàn’ny tsena eoropeanina, ny fampiroboroboana ny fanondranana mankany Eoropa, ny fanamorana ireo dingana takiana eo amin’ny fanondranana sy ny fahazoana misitraka ny vokatra eoropeanina eo amin’ny tsena anatiny.
Firenena dimy ao anatin’ny AFOA (Afrika atsinanana sy atsimo) dia i Madagasikara, Comores, Zimbabwe, Seychelles ary Maurice) no mandray anjara amin’ny fivoriana faha-9 miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana nanomboka androany etsy amin’ny Carlton Anosy. Lohahevitra miisa 3 ao anatin’ireo 13 no ho dinihana mandritra ity fihaonana eto Madagasikara ity dia ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra, ny momba ny fambolena ary ny fepetra ara-pahasalamana sy ny fahasalaman’ny zava-boahary.
Noraisin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy ho ohatra ny fanondranana vokatra lavanila mankany Eoropa mba hanehoana ny maha-zava-dehibe ny fifanaraham-piaraha-miasa toy izao. « Isan’ny seha-pihariana mitondra fampandrosoana ho an’ny Madagasikara ny lavanila ka ilaina ny manamafy ny fifanarahana ara-barotra momba io hitazonana ny laharana voalohany eo amin’ny fanondranana ; Ary mba tsy ho latsaky ny 250 dolara ny kilao any amin’ny firenena eoropeana”, hoy izy androany tetsy Anosy.
Antenaina hisy fiantraikany mahafa-po eo amin’ny sehatry ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-toekarena ity fivoriana andiany faha-9 eto Madagasikara ity, hoy hatrany ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana. I Madagasikara dia maneho tanteraka ny fahavononany hiady ny tombontsoan’ny firenena mandritra ny fivoriana izay tsy hifarana raha tsy amin’ny Zoma 23 septambra 2022 ho avy izao.

Vous aimerez aussi...