Varotra ivelany

Mamaly ny fenitra eoropeana ny kalitaon’ny lavanila malagasy
Afaka miditra malalaka eo amin’ny tsenan’ny Vondrona Eoropeana ny lavanila malagasy. Nisy mantsy ny fanovana ny Lalàna eoropeana momba ny tahan’ny « nicotine » takiana amin’ny vokatra lavanila .
Namoaka fanapahana ny Vondrona Eoropeana ny 5 Febroary 2024 lasa teo fa averina ho 0,3mg isaky kilao ny tahan’ny « nicotine » amin’ny lavanila azo raisina any Eoropa. Fanapahankevitra izay hampitombo ny vokatra lavanila avy aty Madagasikara afaka hiditra amin’ny tsena any Eoropa. Nahomby tanteraka, araka izany, ny dinika sy adisisika nataon’ny Fanjakana malagasy notarihin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny ekipany.
Tsiahivina fa ny volana Septambra 2022 dia nisy fanovana io Lalàna mifehy ny tahan’ny nicotine io ka nametra izany ho 0,02 mg isaky ny kilao. Nisy fiatraikany tamin’ny lavanila malagasy io fepetra io satria mihoatra io taha io ny ankamaroan’ny vokatra avy eto Madagasikara.
Nampitaintaina ireo mpamboly sy ireo mpandraharaha mpanondrana izany satria dia hihena ny vokatra ahondrana sy ny vola vahiny hiditra. Natahorana hisy fiatraikany tamin’ny toekaren’ny firenena ihany koa satria ny sehatry ny lavanila no anisan’ny mampidi-bola vahiny betsaka ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana.

Vous aimerez aussi...