VAROTRA: Nihaona an-databatra boribory ny avy amin’ny MICC sy ny mpandraharaha mpanafatra entana

Fihaonana voalohany teo amin’ny DCI, DPC, DRICC Analamanga avy eto amin’ny MICC sy ireo mpandraharaha mpanafatra entana, amin’izao taona vaovao 2023 izao, no notontosaina ny Talata 31 Janoary 2023.
Niompana tamin’ny tokony ho fiantraikan’ny fidinan’ny « Fret maritime » teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny vidin’ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny lahadinika. Navoitry ny mpandraharaha iray fa ny « Fret maritime » avy any Inde ihany no tena voakasik’izay fidinana izay.
Naneho hatrany ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’ny MICC ireo mpandraharaha ireo ny amin’ny fitsinjovana ny vidin’ny PPN mba ho zakan’ny fahefa-mividin’ny rehetra.
Sary DRICC Analamanga

Vous aimerez aussi...