Varotra sy fanjifana: Ny tsenan’Anosibe no nanombohan’ny DGCC ny asany

Tsy niandry ela fa vao nandray ny fitantanana ny Foibem-pitondrana ankapobeny misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC) ny Tale Jeneraly Razanakoto Andrianirina Isidore androany dia nidina teny an-tsenan’Anosibe sy teny anivon’ny mpandraharaha mpanafatra entana teny Andranomena. Teny nentina tamin’ireo mpandraharaha ara-barotra ireo ny fampiharana tsy misy hatakandro ireo fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana mikasika ny famerana ny vidin’entana ilaina andavanandro. Niara-dalana taminy tamin’ny fisafoana ny DPC (Tale misahana ny Fiarovana ny mpanjifa) sy DCI (Talen’ny Varotra anatiny).

Vous aimerez aussi...