Varotra sy fifaninanana

« Asa masina feno fanetren-tena Ary koa adidy eo amin’ny Minisitera sy ho an’ny Tanindrazana ny asan’ireo Kaomiseran’ny Varotra», hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany 08 aprily 2022 tetsy Ambohimanambola nandritra ny fanokafana ny Fivoriam-be ara-potoana fanaon’ny Sendikà mahaleotenan’ny Kaomiseran’ny varotra sy ny fifaninanana eto Madagasikara (SACCM).
Miantoka ny hisian’ny fifaninanana madio sy mangarahara eo amin’ny lafiny ara-barotra sady miaro indrindra koa ny mponina ny antom-pisian’ny Kaomiseran’ny Varotra izay manodidina ny 140 eo ho eo amin’izao fotoana izao. Isan’ireo mpisehatra mivantana ao anatin’ny ady ho fiarovana ny mpanjifa indrindra manoloana ny fepetra famerana ny vidin’entana ilaina andavanandro ankehitriny izy.
Marihana fa efa namoaka andiana kaomiseran’ny varotra miisa 9 ny MICC hatreto ary miparitaka manerana ny Nosy izy ireo miasa hisian’ny fitoniana eo amin’ny tsena anatiny.

Vous aimerez aussi...