Vary AKAMASOA.

Ho tohin’ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitry ny foiben-draharaha misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa avy ao amin’ny Minisiteran’ny Indostria, ny Varotra sy ny Asa tanana (MICA), ary taorian’ny fiantsoana sy fanadihadiana ny tompon’ilay tranom-barotra tsy maintsy nohidiana teny Anosibe, dia tsy maintsy nanolo vaovao ireo vary simba tany amin’ny Akany Akamasoa ilay nivarotra izany. 
Nohatrehin’ireo kaomiseran’ny varotra (manam-pahefana mpikaroka fandikan-dalàna, OPJ) sy ireo mpanara-maso ny varotra avy aty amin’ny Minisitera moa ny fanaterana sy ny fanoloana vaovao ireo vary simba ireo. 
Nomarihan’i Père Pedro sy ireo tompon’andraikitra mpikarakara miara-miasa aminy moa fa maneho ny alahelony izy fa tsy rariny izao fanampoizinana ny ankizy madinika mpiray tanindrazana izao. Mitohy noho izany ny fanaraha-maso akaiky ataon’ny MICA ho fiarovana ny zon’ny mpanjifa

Vous aimerez aussi...