VARY TSINJO M’FETY Vary Tsinjo amidy 650 Ar/kapoaka

Mitohy hatrany ny famatsiana VARY TSINJO M’FETY izay ifarimbonan’ny ekipan’ny DPC, DCI ary DRICC Analamanga. Nanatanteraka ny fitsinjarana sy ny fanarahamaso ny fampiharana ny vidiny 650Ar/kapoaka ny ekipan’ny DRICC Analamanga Alakamisy 29 Desambra 2022.

Teny amin’ny fokontany Mahazo, Ilafy, Sabotsy Namehana ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano no nanaovana izany. Misitraka ny VARY TSINJO M’FETY avokoa ny Boriborintany 6 sy ireo Distrika manodidina an’Antananarivo amin’izao fotoana izao.

Sary nomena

 

Vous aimerez aussi...