Vary Tsinjo

Vary Tsinjo 18.200 taonina tonga ao Toamasina, tahiry iadiana amin’ny fiakaram-bidy mandram-pahatongan’ny famokarana manaraka Tsy maintsy mitondra vahaolana vonjimaika iadiana amin’ny fiakaran’ny vidim-bary ny fitondram-panjakana, hoy ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, mandra-pahatongan’ny famokarana manaraka sy ny fiodinan’ireo indostria mpamokatra vary eto an-toerana. Manampy amin’ny fidinan’ny vidim-bary tokoa ny fahatongavan’ny vary nafarana eny amin’ny tsena ka miantraika amin’ny vidim-piainana ankapobeny. Vary Tsinjo milanja 18.200 T no nafaran’ny SPM ary tonga tao Toamasina, hanampiana ny tahiry hitsinjovana ny maitso ahitra. Hiparitaka eny amin’ny tsena afaka fotoana fohy ity Vary Tsinjo ity. Marihana fa mbola betsaka ny tahiry, ary tsy misy ahiana amin’ny fiatrehana ny maitso ahitra. Nanamafy ihany koa ny Filohan’ny Repoblika fa vahaolana iray hialana amin’ny saran’ny fitaterana ny fanafaran’ny SPM ny Vary Tsinjo, fa ny fampiroboroboana ny famokarana eto an-toerana no tanjona lavitra ezaka ho tombotsoan’ny mponina eny ifotony.

Vous aimerez aussi...