“Vita Malagasy, ho reharehan’ny Malagasy”
Ny fampiroboroboana ny vokatra « Vita Malagasy » dia isan’ny laharam-pahamehana tafiditra ao anatin’ny Velirano 7 napetraky ny Filoham-pirenena. Ho an’ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asatanana dia miompana makany amin’ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny indostria indrindra eny anivon’ny faritra sy ny distrika ireo asa tanterahina. Maro ny hetsika fanohanana sy fanampiana ara-teknika sy ara-pitaovana isan-karazany ho an’ireo mpandraharaha Malagasy mifandray amin’izay fampiroboroboana ny indostria izay eo amin’ny fanodinana ny vokatra ifotony. « Maro ihany koa ny fidinana ifotony izay efa nanomboka ary mbola hitohy hanamafisana indrindra ny famokarana ifotony ireo filàn’ny mponina. Na dia teo aza ireo tranga nampihena ny vokatra ara-toekarena izay nateraky ny valan’aretina Covid19 dia efa mihamafy ireo hetsika sy asa iarahan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana hampisongadinana hatrany ny vokatra Vita Malagasy ho reharehan’ny Malagasy », hoy Rtoa Lantosoa RAKOTOMALALA Minisitry ny MICA.