Vokatra fanondrana: Efa nisokatra omaly 20 Novambra 2022 ny taom-piotazana letisia any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana

Nanomboka roa andro alohan’ny fisokafan’ny taom-piotazana letisia any amin’ny faritra Atsinanana ny any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Omaly 20 Novambra 2022 mantsy dia efa nalalaka ny tsenan’ny letisia any an-toerana araka ny Didim-pitondrana noraisina teo anivon’ny Faritra.
Azo lazaina fa nihena ihany ny vokatra raha oharina amin’ny tamin’ny taona lasa nohon’ny fandalovan’ny rivo-doza “Emnati” tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Nanampy trotraka koa ny tsy fisian’ny rotsak’orana amin’ny vanim-potoana ilan’ny vokatra izany. Noho izany rehetra izany dia nandrasana ho matoy tsara ny letisia vao notazana ary azo namidy.Vinavinaina ho 5.000Ar ny iray garaba amin’izany.
Ho an’ny faritra Fitovinany sy Vatovavy kosa dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny DRICC, DRAE ary ny Faritra ny Alakamisy 17 Novambra 2022 nijerena raha efa matoy ny letisia. Hita ary fa miandry rotsak’orana kely izany dia efa azo hohanina soa aman-tsara. Hisokatra tsy ho ela koa ny taom-piotazana 2022 any amin’ny faritra Fitovinany sy Vatovavy.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...