Vokatra fanondrana: Nahazoam-bola avo efatra heny ny fanondranana jirofo tato anatin’ny sivy volana

Raha 52,5 tapitrisa Dolara ny vola azo tamin’ny fanondranana jirofo nankany ivelany tamin’ny taona 2021 dia tafakatra 224,7 tapitrisa Dolara izany nandritra ny sivy volana voalohany tamin’ity taona 2022 ity araka ny antontan’isa navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara.
Nahatratra 40000 Taonina ny vokatra jirofo tamin’ity taona ity raha 25000 Taonina izany tamin’ny herintaona. Efa misokatra ny moa ny fandraisana ny antontan-taratasy fangatahana fahazoan-dalana (agrément) hanondrana ho an’ny taona 2021-2022. Tsy manan-kery intsony araka izany ny fahazoan-dalana teo aloha manomboka ny 31 Oktobra 2022.
Madagasikara no mitana ny laharana voalohany maneran-tany amin’ny fanondranana jirofo. Faharoa kosa isika amin’ny famokarana aorianan’i Indonezia.

Vous aimerez aussi...