Vondron’ny tany afrika karaiba pasifika (ACP): Novelabelarina tany Luanda/Angola ireo fepetra noraisin’i Madagasikara isintonana ireo mpampiasa vola
Mizotra manaraka ireo soridalana voalazan’ny “Fifanarahan’i Cotonou” i Madagasikara amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Vondron’ny tany ACP izay milaza ny fanohanana ny Sehatra tsy miankina. Dingana efa mandroso ao anatin’ny “business friendly” (tontolo mirindra, mahasarika mikasika ny fampiasam-bola) ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny fampiasam-bola mba isintonana kokoa ny mpampiasa vola vaovao sy ihazonan’ny firenena malagasy ireo efa eo. Manana anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena ny Sehatra tsy miankina ka ny fanatsaran’i Madagasikara ny lalàna dia mariky ny fanohanana hahatonga an’i Madagasikara haharaka ny fifaninanana sy ahafahana manamafy ihany koa ny fiarovana ny firenena amin’ny andraikitra takiana amin’ireo mpampiasa vola.
Nisongadina izany omaly 06 Desambra 2022 tamin’ny fizarana nataon’ny solontena malagasy avy amin’ny MICC mandritra ilay fihaonana karakarain’ny Vondron’ny tany ACP tanterahana any Luanda/Angola.
Nasian-teny ihany koa ireo asa mbola miandry tsy maintsy ho atao aorian’ny fanatsarana ny lalàna dia ny fampiharan’ireo rafi-panjakana rehetra ny manandrify azy hahatrarana ny fandrosoana. Nisy fanazavana nataon’ny firenena afrikana hafa nahenoana ny tsara mbola hirosoan’i Madagasikara hamenoana ny efa atao ankehitriny.
Ireo fanamorana rehetra mahakasika ny fandraharahana efa misy dia ny solontena ao amin’ny EDBM (Economic Development Board of Madagascar) no namelabelatra azy ireo.
“ACP tontolo fampiasam-bola mirindra, mahatehotia: fotoana manokan’ ny fifampizarana, fianarana” moa no lohahevitry ny fihaonana any Luanda/Angola izay nokarakaraina indrindra mba ahafahan’ny teknisianina mifampizara ny dingana sy lamina efa ataon’ny firenena ametrahana izany tontolo mirindra, mahasarika mahakasika ny fampiasam-bola izany.
Sary DAJ