WOMEN IN BUSINESS:Nandrisika ny vehivavy mpandraharaha hanabe voho ny Taninketsa Indostrialy ny Minisitra Edgard Razafindravahy

Mpandraharaha vehivavy no hampiroborobo ireo Taninketsa Indostrialy any Antanamifafy faritra Boeny sy Mahatalaky faritra Anôsy. Tokony ho faka tahaka ny vehivavy mpandraharaha, hoy ny Minisitra Edgard Razafindravahy androany Talata 17 Mey 2022. Nandritra ny fanokafana ny fikaonan-dohan’ireo vehivavy mpandraharaha « Women in Business » andiany fahatelo tetsy amin’ny Carlton Anosy io ihany koa no nambarany fa «manodidina ny 100 ny ivon-toerana fanodinana vokatra aroson’ny MICC hanatanterahana ny #Velirano7 sy ny #Velirano9. Hampitomboana ny harinkarena faoben’i Madagasikara amin’ny alalan’ny TANINKETSA INDOSTRIALY ». Mandray anjara feno ny vehivavy amin’ny fandraharahana, manana ny fahasahiana hiroso hatrany ary mijoro manoloana ny fahasarotana lalovana toy ny takaitra nentin’ny valan’aretina. « Ny fahasahiana, toetra ananan’ny vehivavy, mitondra fandresena kanefa ny fandresena no fetra amin’ny fandraharahana », hoy ihany ny Minisitra misahana ny fampiroboroboana ny indostria.
Nanamafy ihany koa izy fa ny kaoperativa hivondronan’ny vehivavy eny ifotony dia isan’ny fanoitra mampandroso ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara. Mandray andraikitra ny Fitondram-panjakana hitsinjovana ny tontolo madio, lavitry ny kolikoly eo amin’ny fandraharahana ka isan’ny fepetra napetraka ny fisian’ireo lalàna maro samihafa toy ny lalàna mikasika ny fampiasam-bola sy mikasika ny fandraharahana ara-indostria.

Vous aimerez aussi...