๐—™๐—ถ๐—ต๐—ฎ๐—ผ๐—ป๐—ฎ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐— ๐—ถ๐—ป๐—ถ๐˜€๐—ถ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐——๐—ฎ๐˜ƒ๐—ถ๐—ฑ ๐—ฅ๐—”๐—Ÿ๐—”๐— ๐—•๐—ข๐—™๐—œ๐—ฅ๐—œ๐—ก๐—š๐—” ๐˜๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ป๐˜† ๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ๐—ฑ๐—ฎ๐—ผ๐—ฟ๐—ผ๐—ปโ€™๐—ถ ๐—ง๐˜‚๐—ฟ๐—พ๐˜‚๐—ถ๐—ฒ, ๐—œ๐˜€๐—ต๐—ฎ๐—ธ ๐—˜๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ๐—ฟ ๐—–ฬง๐˜‚๐—ฏ๐˜‚๐—ธ๐—ฐฬง๐˜‚ ๐—ป๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐˜€๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ป๐—ฎ ๐—ป๐˜† ๐—ณ๐—ผ๐—บ๐—ฏ๐—ฎ ๐—ต๐—ถ๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ-๐—บ๐—ถ๐—ฎ๐˜€๐—ฎ ๐—ฎ๐—บ๐—ถ๐—ปโ€™๐—ถ๐—ฟ๐—ฒ๐—ผ ๐—บ๐—ฝ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ๐—ฟ๐—ฎ๐—ต๐—ฎ ๐˜๐—ถ๐—ผ๐—ฟ๐—ธ๐—ฎ

Taorianโ€™ny Ambasadaoronโ€™i Japon dia ny Ambasadaoronโ€™i Turquie eto Madagasikara indray no noraisinโ€™ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) David RALAMBOFIRINGA tetsy aminโ€™ny birao fiasany Ambohidahy. Taminโ€™izany no nifampizaranโ€™ny roa tonta fijery momba ny fepetra hisianโ€™ny fifampitokisana hampahomby ny fiaraha-miasa aminโ€™ireo mpandraharaha avy any Turquie.
Ho anโ€™ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA dia misokatra aminโ€™ny fiaraha-miasa aminโ€™ny any ivelany isika ho fampandrosoana ara-toekarena anโ€™i Madagasikara. Tsy avela handalo fotsiny, araka izany, ireo fanararaotra (opportunitรฉs) tokony ahazoanโ€™ny firenena tombontsoa.
Irinโ€™izy ireo ny hametrahana Vaomiera ara-toekarena iraisana hijery ny sehatra hisianโ€™ny fiaraha-miasa sy ny ho endriky ny fifanaraham-piaraha-miasa. Zava-dehibe koa, araka ny nambarany, ny fifanarahana ho aminโ€™ny fifanakalozana malalaka.
Anisanโ€™ny sehatra mampiavaka an-dry zareo tiorka moa ny varotra sy ny fananganana fotodrafitrโ€™asa.

Vous aimerez aussi...