𝗙anjifana

đ—§đ—Œđ—»đ—Žđ—ź đ—źđ—»đ˜† 𝗼đ—șđ—¶đ—»â€™đ—»đ˜† 𝗩đ—Čđ—żđ—źđ—»đ—źđ—»đ˜đ˜€đ—źđ—șđ—Żđ—Œđ—»â€™đ—¶ đ—§đ—Œđ—čđ—¶đ—źđ—żđ—ź đ—»đ˜† 𝘃𝗼𝗿𝘆 𝟭𝟭 𝟬𝟬𝟬 đ˜đ—źđ—Œđ—»đ—¶đ—»đ—ź

Ampy hiatrehana ny maitso ahitra ny tahirim-bary ho an’ny Faritra Atsimo Andefana. Ankoatr’ireo vary Eagle 11 000 taonina avy any Pakistan ireo dia mbola hisy sambo hitondra vary 10 000 taonina hafa koa ho tonga amin’io herinandro ho avy io ao Toliara. “Antenaina ihany koa ny ho fidinan’ny vidim-bary aty amin’ny Faritra Atsimo Andrefana noho ny habetsahan’ny tahirim-bary”, hoy ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Atsimo Andrefana, Jocelin Richard RAZAFINIMARO.

Mbola anatin’ny fitaterana ny vary vao tonga avy eny amin’ny Seranantsambo mankany amin’ny toerana fanatobiana tahirin’entana ny any an-toerana ankehitriny.

Ny 24 Septambra 2024 koa no nigadona tao Taolagnaro ny vary 4000 taonina. Maharitra roa volana farafahakeliny ny tahirim-bary any an-toerana. Ankoatr’izay anefa dia mandeha hatrany ny fitaterana vary amin’ny sambo manaraka ny sisin-tany avy any Toamasina ary ny volana Desambra dia mbola hisy vary nafarana ho tonga. Eo ihany koa ny fiakaran’ny  » vary gasy tsipala » amin’ny volana Desambra any amin’ny Faritra Anosy. Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ataon’ny eo anivon’ny DRIC hisorohana ny fanararaotana.

Vous aimerez aussi...