Vaovao Songadina avy any amin’ny faritra Ihorombe, Boeny sy Betsiboka: misy fidinany ny vidin’ny vary zanatany any amin’ny faritra

?IHOROMBE : Nahitana fidinana 50 Ar/kapoaka ny vidin’ny vary gasy zanatany ao an-tanànan’Ihosy, renivohitry ny faritra Ihorombe nanomboka ny Talata 4 Avrily 2023. Izany hoe 650 Ar – 750 Ar/kapoaka. Tsy misy fiovany kosa ny vidin’ny menaka, lafarinina ary siramamy. Ampy tsara ny tahirin’entana raha miohatra amin’ny filàn’ny mponina andavanandro.

?BOENY : Nihena ny vidin’ny vary gasy eny amin’ny mpamongady. 100000Ar-125000Ar ny iray gony. 2200Ar-2600Ar/kg na 650Ar-800Ar/kapoaka no ivarotan’ny mpaninjara izany amin’ny mpanjifa. Tsikaritra tamin´ny fanaraha-maso ny tsena afak’omaly Talata 4 Avrily 2023 koa fa nahitana fidinany ny vidiny farany ambany amin’ny menaka RAJAH eny amin’ny mpaninjara : 6500 Ar ny litatra raha ohatra ka 6700 Ar izany tamin’ny herinandro lasa teo.

?BETSIBOKA : Marin-toerana ny vidin’ny PPN any amin’ny faritra Betsiboka. Amidy 650Ar – 700Ar/kapoaka ny vary gasy raha 650Ar/kapoaka ny vary nafarana. 3500Ar – 3800Ar/kg kosa ny vidin’ny lafarinina. Momba ny siramamy nafarana dia 1600Ar/kapoaka na 5000Ar/kg no andafosan’ny mpaninjara azy.

Sary DRICC

Vous aimerez aussi...