Taninketsa indostrialy: nahazo ozinina mpanodina voanjo ho menaka ny any Tsiroanomandidy

« Tsy misy afaka miteny fa tsy miasa ny Filoham-pirenana. Porofon’izany ny fanatanterahany ny Velirano amin’ny fametrahana orinasa isaky ny distrika » (ODOF).

Milina fanodinana voanjo ho lasa menaka no naterin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy tany Tsiroanomandidy androany Alakamisy 20 Aprily 2023. Tafiditra anatin’ireo ozinina miisa 75 fanodinana ny vokatry eny ifotony ho lasa entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro. « Volantsika, volam-panjakana madiodio, tsy mibaby trosa, no nividiana an’ireo », hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC) nandritra ny lahateniny.

Fisaorana no nasetrin’ny mponin’i Tsiroanomandidy ny fanolorana ity ozinina afaka manodina voanjo 400kg isan’ora ity. Naneho ny fankasitrahany manokana koa ireo Ben’ny tanàna anatin’ny Fikambanan’ny Ben’ny tanàna any an-toerana.

Vous aimerez aussi...