Fiarovana ny mpanjifa: nandray ny asany ny DPC vaovao

Tontosa omaly Alatsinainy 24 Aprily 2023 ny famindram-pitantanana teo anivon’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) eto amin’ny MICC. Nisolo toerana ny Tale teo aloha i Laurencia Razanadrakoto. Teny nomeny ny fitohizan’ny asa izay efa natomboka ary indrindra fanatsarana sy fanamafisana ny fiarovana sy fitsinjovana ny mpanjifa.

Nitarika ny famindram-pitantanana omaly teny Ambohidahy ny Tale jeneralin’ny Varotra sy Fanjifana. Tonga nanotrona ireo mpiara-miasa akaiky azy ireo.

 

Vous aimerez aussi...