Distrika iray, Orinasa iray (ODOF)

Hisitraka orinasa fitotoam-bary Amparafarafaravola sy Marovoay. Orinasa mpanao savony kosa ho an’Antananarivo sy ny manodidina.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra natao omaly Alarobia 12 Jolay 2023 ny hampiasana ny ampahany amin’ny tetibolan’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, amin’ity taona 2023 ity, mba hividianana fitaovana teknika sy fampitaovana ara-indostria mikasika ny fananganana orinasa fitotoam-bary sy orinasa mpanao savony.
Izany dia hanampiana ireo fitaovana nafarana ary efa tonga eto an-toerana hametrahana Taninketsa Indostrialy miisa 75 manerana an’i Madagasikara.
Volam-panjakana madiodio moa no nenti-nanana azy rehetra ireo.
Milina 24 hatreto no efa tonga any amin’ny distrika mpahazo tombontsoa amin’ity Fandaharanasa ODOF ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena ity.
Sary fanehoana

Vous aimerez aussi...