Fiarovana ny mpanjifa: entana maro isan-karazany no tsy maintsy nodorana tany amin’ny Faritra SAVA

Nahomby ny fanentanana natao tamin’ireo mpivarotra, na nivantana izany na tamin’ny haino aman-jery, tsy hivarotan’izy ireo entana lany daty. Samy nidinan’ny ekipan’ny DRICC SAVA avokoa nanabeazana azy ireo sy nanaovana fanaraha-maso teny an-tsena ny distrika efatra ao anatin’ny faritra dia i Sambava, Antalaha, Vohémar, Andapa.
Vokatr’izany dia nahitana entana maro isan-karazany lany daty toy ny bisky, zava-pisotro, vatomamy, fromazy, mayonnaise sy zavatra hafa koa toy ny kojakoja fampiasa amin’ny fiara ireny tany an-toerana. Niroso avy hatrany tamin’ny fandevonana ireo entana ireo ny DRICC SAVA tamin’ny Zoma 4 Aogositra 2023 teo.
Sary DRICC

Vous aimerez aussi...