Taninketsa indostrialy: nahazo fitaovana fanamainana voankazo koa Antalaha

Taorianan’i Fenoarivo Atsinanana dia Antalaha no distrika faha-2 nisitraka milina fanamainana voankazo anatin’ny Tetik’asa ODOF (One District One Factory) ho fampiroboroboana ny indostria eny ifotony.

Natolotra ampahibemaso tany an-toerana ny Alatsinainy 23 Oktobra 2023 teo izany. Hanatsara ny fari-piainan’ireo tantsaha mpamokatra voankazo ity Taninketsa Indostrialy ao Antalaha ity satria tsy ho simbasimba fotsiny intsony ny vokatra no sady hiakatra ny sandany. Ho lasa foto-pivelomana mahaleotena ny voankazo.

Faly dia faly i Toto Jean Robert, antsoin’ny mponin’Antalaha hoe Jaotombo, tamin’ny nanateran’ny iraka avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria (MICC) ny milina fanamainana voankazo. “Tena mamaly ny filànay izao ka mankasitraka ny Fitondram-panjakana”, hoy izy.

Kaoperativa maherin’ny 50 no natsangan’i Toto Jean Robert tao amin’ny distrikan’Antalaha. Misy kaoperativan’ny mpamokatra akondro, mananasy, noni… amin’ireo naoriny ireo, araka ny fanazavany.

Sary Nomena

Vous aimerez aussi...