Alliance nationale pour la fortification alimentaire (ANFA)

Iaraha-mientana ny fanatsarana ny fahasalamana ara-tsakafon’ny Malagasy.

Roa andro, ny Alakamisy 30 Novambra sy ny Zoma 1 Desambra 2023 no nanatanterahan’ny ANFA ny fivoriam-beny tetsy amin’ny Carlton Anosy. Nampahafantarina nandritra izany ny andraikitra andrasana amin’ny ANFA entina hanatrarana ny tanjona dia ny fanatsarana ny fahasalamana ara-tsakafon’ny Malagasy.
Eo ambany fitarihan’ny ONN sy ny MSANP ary miara-miasa akaiky amin’ny sampan-draharaha maro amin’ny fanatanterahana ny vinan’asany ny ANFA. Nanaovana jery todika ny momba ny tetik’asa notontosaina tamin’ity taona 2023 ity ny fivoriana. Teo ihany koa ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny asa ho an’ny taona 2024.
Sary nomena

Vous aimerez aussi...