Tsenan’Anosibe

Nampahatsiahivina an’ireo mpivarotra mpamongady ny fenitra sy ny kalitaon’ny entana amidiny
Amin’izao ankatoky ny fety izao dia tsy ny fanaraha-maso ny vidin’entana ihany no antony idinan’ireo Kaomisera sy Mpanara-maso ny varotra sy ny fifaninanana avy amin’ny MICC eny an-tsena fa eo koa ny fampahafantarana sy torolalana ny amin’ny fijerena ny fenitra sy ny kalitaon’ny entana amidin’ireo mpivarotra.
Omaly Alarobia 20 Desambra 2023 dia teny amin’ny tsenan’Anosibe izy ireo no nanentana ireo mpivarotra mpamongady hijery tsara ny datin’entana alain’izy ireo any amin’ny mpamatsy mba hanaraka ny fenitra ara-pahasalamana. Nampianarina ihany koa izy ireo hahay hikajy ny fahadiovan’ ny entana amidy. “Ny mety ho fifangaroan’ny bisky na vatomamy amin’ny savony ohatra dia mety hiteraka fanapoizinana ara-tsakafo ho an’ny mpanjifa”.
Tanjon’ny Minisitera ny Varotra amin’izany rehetra izany ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi...