Famatsiana ny mponina: ataon’ny DRIC andrimaso ny vidim-bary any amin’ny faritra SAVA

Sambava ny Alatsinainy 22 Janoary 2023; Antalaha ny ampitson’io; Nitohy tany Andapa omaly Alarobia ary Vohemar anio Alakamisy. Arahin’ny mpanara-maso avy amin’ny Fitaleavam-paritra (DRIC) SAVA akaiky ny vidim-bary eny an-tsena ao amin’ireo distrika efatra mandrafitra ny faritra. Tanjona amin’izany ny hisitrahan’ny mponina vidin’entana ara-drariny tsy misy fanararaotana.

?Tao Andapa dia nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpanangom-bokatra sy mpitoto vary fa tsy tokony hihoatra ny 160000Ar ny vary iray gony 60kg mivoaka amin’ny ozinina raha hivarotra izy ireo, na misy aza ny fahasarotan’ny famoahana ny vokatra avy any ambanivolo noho ny rotsakorana.

?Nisy ny fifampiresahana tamin’ireo mpamongady ao amin’ny faritra SAVA mba hampitomboan’izy ireo ny tahirim-bary.

?Nisy ny fisavana faktiora ho an’ireo izay hita fa manararaotra. Nampanantsoina tany amin’ny birao, nanaovana fanadihadihana izy ireo.

?Nohamafisina ny fitsirihana ireo trano fanatobiam-bokatra, ny fanaovana fanambaràna tahiry sy vidin’entana ho an’ireo mpamongady sy mpanangom-bokatra.

Vous aimerez aussi...