Fiarovana ny mpanjifa

Hiara-hientana amin’ny fitsirihana eny an-tsena ny Fikambanan’ny mpiaro ny mpanjifa sy ny Minisitera
Ho hamafisina ny fidinana miaraka manerana ny tsena ka hiara-hientana amin’ny fanabeazana ny mpanjifa sy amin’ny fitsirihana eny amin’ireo mpivarotra ireo Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny mpanara-maso avy amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC). Ho hentitra ny MIC amin’ny fandraisana avy hatrany ny fepetra mifanaraka amin’ny tranga tsy fanarahan-dalàna ara-barotra izay matetika miantraika amin’ny fiainam-bahoaka.
Hatsaraina hatrany ireo hetsika fiarovana ny mpanjifa araka ny tapaka nandritra ny fivoriana tetsy Ambohidahy tamin’ity Alakamisy 1 Febroary 2024 ity. Nandray anjara tamin’izany ireo fikambanan’ny mpiaro ny mpanjifa sy ny avy amin’ny Minisitera nahitana ny DPC, ny DCI ary ny DRIC Analamanga. Tanjona iombonana ny fiarovana hatrany ny vahoaka manoloana ny fiovaovan’ny vidin’entana sy ny fanararaotana samihafa eo amin’ireo fitaovam-pandajana ampiasain’ny mpivarotra.
Naneho ny fahavononanay hiara-hisalahy amin’ny Minisiteran’ny Varotra izahay Fikambanan’ny mpiaro ny mpanjifa, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny GARDUC ary vonona hijoro hanatanteraka ireo asa fitsirahana sy fanabeazana iraisana.
« Vahaolana maharitra ny tanjona amin’ny fiaraha-mientana matotra hatramin’izay ka hatramin’izao », hoy kosa i Andry Vola RAZAFINDRALAMBO, Filohan’ny Fikambanana PMH.

Vous aimerez aussi...