Andro iraisam-pirenena ho an’ny faritra

Tombony ho an’ny Faritra SAVA ny fandraisana ny fankalazana ny JIR amin’ity taona 2024 ity
Faritra SAVA, toerana azo trandrahana : andao hiaraka hanorina firenena misandratra. Fitaovana iray ahafahana mampiroborobo sy mampisongadina ireo vokatra mampiavaka ny Faritra SAVA (Sambava-Antalaha-Vohémar-Andapa) ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra andiany faha-9 any an-toerana ny 07 hatramin’ny 09 Jona 2024 ho avy izao. Tanjona apetraka mandritra ny JIR ny fampandrosoana mahomby sy maharitra, ny fampivondronana ireo mpisehatra ara-toekarena ao amin’ny Faritra ary fandraisana andraikitra itsinjaram-pahefana.
Hisy araka izany fifampiresahana sy fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ifotony sy iraisam-pirenena toy ny mpampiasa vola sy ny mpanosika tetikasa matihanina hametrahana fanamby vaovao. Miaraka mifanome tanana amin’ny fikarakarana ny JIR ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (MIC), ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany (MDAT), ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ary ny ao amin’ny Faritra SAVA.
Hampisongadina sy hanome lanja ireo kaoperativa ao amin’ny faritra sy ireo vokatra atolotr’izy ireo manoloana ireo mpanohana ara-teknika sy ara-bola (PTF) no isan’ny tombony amin’ny fankalazana ny JIR any an-toerana, hoy ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra (DRIC) SAVA. Distrika roa any amin’ny Faritra SAVA no efa nametrahana milina avy amin’ny tetikasa ODOF. Milina fanamainana voankazo ho an’ny Taninketsa Indostrialy ao Antalaha raha milina famokarana chips koa no anjaran’i Vohémar.

Vous aimerez aussi...