Fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Alemaina

Resin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy lahatra hitodika amin’ny fampiroboroboana ny indostria eny ifotony ny masoivoho alemana.

Tonga hatrany amin’ny fanoritsoritana ny fiaraha-miasa ho apetraka amin’ny firenena alemana toy ny fijerena mpiara-miombona antoka hanafainganana ny asa ara-indostria hanapariahana ny ozinina ODOF (One District One Factory) manerana ny distrika sy ny kaominina eto Madagasikara ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC). Isan’ny paikady entina miaro ny vokatry ny tantsaha sy ny famokarana eny ifotony mantsy ny Tetikasa ODOF hilofosan’ny MIC ankehitriny.
Nifantoka tamin’ny fampandrosoana ara-indostria ny fihaonana teo amin’ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy ny Ambasadaoro alemana, Michael Häusler, androany Alatsinainy 03 Jona 2024 tetsy Ambohidahy. « Fanoitra iray tsy azo hiodivirana ny fiaingan’ny fandraharahana eny ifotony amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny tantsaha mpamboly. Antoky ny fampandrosoana manakaiky ny mponina ny fanodinana ny vokatry ny tantsaha sy ny famokarana eo an-toerana ihany», hoy ny Minisitra tamin’ny Ambasadaoro.
Nohamafisin’ny Ambasadaoro nandritra ny fihaonana ny fahavononan-dry zareo alemana amin’ny fampandrosoana ara-indostria sy ny fandraharahana amin’ny alalan’ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Mitovy ny fomba fijerin’ny roa tonta eo amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Hifanampy amin’ny MIC ny eo anivon’ny masoivoho alemana amin’ny fijerena mpiara-miombona antoka na koa orinasa alemana mpampiasa vola hampiroboroboana ny Taninketsa Indostrialy.
Hisy delegasiona ahitana orinasa alemana misehatra amin’ny angovo azo havaozina sy harena an-kibon’ny tany, ho tonga eto Madagasikara, amin’ny volana Oktobra sy Novambra amin’ity taona ity 2024 ity.

Vous aimerez aussi...