7 Jona

miantsominisitra

Miantso ny rehetra handray ny andraikitra tandrify azy ny Minisitra Edgard Razafindravahy amin’ny fiantohana ara-pahasalamana ho an’ny sakafo
Fahatapah’ny herin’aratra, fanapoizinana ara-tsakafo noho ny entana simba sy lany daty dia samy anisan’ny loza mananontanona ny mpanjifa. Na izany aza dia voahaja amin’ny ampahany ny fenitra ara-pahasalamana ho an’i Madagasikara.
Andraikitry ny rehetra ny fitandroana ny fenitra ara-pahasalaman’ny sakafo ka nahatonga ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC), Edgard Razafindravahy hanaitra ny tsirairay amin’izao fanamarihana ny Andro iraisam-pirenana ho an’ny fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo (JISSA) isaky ny 7 jona izao. « Fiantohana ara-pahasalamana ho an’ny sakafo : Miomàna amin’ny tsy ampoizina ».
Ny MIC manokana amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana Fiarovana ny Mpanjifa (DPC) dia manara-maso mialoha ny fahafahana mivarotra ny vokatra sakafo, avy eto an-toerana sy avy any ivelany, eny an-tsena ho an’ny mpanjifa. Aorian’ny fitiliana vao omena ny taratasy manamarina ny fahafahana mivarotra ara-dalàna. Raha toa ka tsy azon’olombelona hohanina ny vokatra dia miroso avy hatrany amin’ny dingana fanapotehana na fandoroana ireo vokatra voakasika miaraka amin’ny rafitra mahefa hafa ny avy eo amin’ny DPC. Nandritra ny fankalazana ny JISSA androany 07 jona 2024 tetsy amin’ny Havoria Anosy no nanehoana izay andraikitra sahanin’ny eto amin’ny MIC.
Rafitra mpanara-maso amin’ny fiantohana ara-pahasalaman’ny sakafo ny Komity nasionaly misahana ny fenitra Codex Alimentarius. Ireo orinasa mpamokatra sakafo ihany koa dia entanina hijery hatrany ary hifantina ireo mpamatsy akora izay ampiasana hanaraka ny fenitra ara-dalàna sy ara-pahasalamana. Ny mpanjifa beazina hahay hanavaka ny sakafo azo hohanina ary hanamarina hatrany ny fe-potoana ahazoana mihinana izany.
Miara-miasa amin’ny rafi-panjakana ireo rafitra sy vondrona iraisam-pirenena toy ny FAO, OMS amin’ny fanamasifana ny fanaraha-maso ny fahasalamana ara-tsakafo eo amin’ny mpanjifa.

Vous aimerez aussi...