Ady amin’ny kolikoly

Tafapetraka eny amin’ny BIANCO ny fanambaram-pananan’ireo mpiasam-panjakana ambony eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC)
Dingana iray mariky ny finiavana hijoro anatin’ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly ny fanambaram-pananana. Na Sekretera jeneraly, na Tale jeneraly, Tale isan-tsokajiny, Talem-paritra dia samy tonga teny amin’ny Birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (BIANCO) Ambohibao omaly Alarobia 19 Jona 2024 nanatitra ny fanambaram-pananan’izy ireo.
« Fepetra fisorohana ny kolikoly ny fanambaram-pananana ary hitandrovana ny hasina ho tombontsoan’ny Malagasy rehetra », hoy ny Tale jeneralin’ny BIANCO, Laza Andrianirina, nanoloana ireo tompon’andraikitra avy amin’ny MIC ireo. Vonona hanohana ny Minisitera amin’ny alalan’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fitsirihana anatiny sy ny Ady amin’ny kolikoly (DAILAC) amin’ny asa rehetra fisorohana ary hitantsoroka amin’ny fahaiza-manao amin’izay asa fisorohana izay ny BIANCO araka ny nambaran’ny Tale Jeneraly.
Notsindrian’ny Sekretera jeneralin’ny MIC Ranoelimanana Rasamoely Vahinisoa Seheno, fa dingana mariky ny finiavana hiady amin’ny kolikoly sy fijoroana amin’ny manara-dalàna izao fanambaram-pananana izao.
Ho an’ny MIC manokana, ankoatry ny fisian’ny Foibem-pitondrana DAILAC, dia fitaovana iray nosokafana tsy ela akory izay, hanampy amin’ny fiadiana amin’ny kolikoly ny Vavahadin-tserasera momba ny varotra (PICM). Anatin’ny fangaraharana tanteraka no ampahalalàna ny rehetra izay tokony ho fantany momba ireo raharaha sahanin’ny MIC sy ny torolalana hanamaivanana ny fahasahiranan’ny olom-pirenena mila izany.

Vous aimerez aussi...