Indostria

scm
Hamokatra simenitra 500 000 taonina isan-taona ny SCM (Société Ciment Madagascar)
Hitsangana any Toamasina ny orinasa fanaovana simenitra SCM. Tamin’ity Zoma 21 Jona ity no nanatanterahana ny lanonana fametrahana ny vato fototry ny fanorenana. Ankoatra ny vokatra simenitra 500 000 taonina isan-taona dia hiteraka asa 1 000 mivantana sy tsy mivantana koa ny orinasa.
Samy nanantitrantitra ireo nandray fitenenana fa andrandraina hiabo amin’ny toekarena, fa indrindra ho an’ny faritra, ny fiantraikan’izao tetik’asa izao. Tafiditra amin’ny andry iankinan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara araka ny nanoritan’ny Filoham-pirenena azy moa ny Fampiroboroboana ny indostria.

Vous aimerez aussi...