Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana(COI)

Lany tsy nisy nitsipaka ho Sekretera jeneralin’ny COI ny Minisitra Edgard RAZAFINDRAVAHY.
Nandritra ny Fivoriana ampitain-davitry ny Filan-kevitry ny Minisitr’ireo tany mpikambana, androany Alatsinainy 15 Jolay 2024, no nanendrena ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ho Sekretera jeneralin’ny COI. Fe-potoam-piasana manomboka rahampitso 16 Jolay 2024 ka haharitra 4 taona.
Mirary ny Sekretera jeneraly vaovaon’ny COI hahefa be amin’ny andraikitra vaovao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpiara-miasa eto amin’ny MIC.

Vous aimerez aussi...