One District One Factory (ODOF)


Milina afaka manodina fandrama 100 litatra isan’ora ho an’Antsohihy
Tao anatin’ny telo andro misesy, taorian’ny tany Ambanja sy Nosy Be dia notokanana koa ny Orinasa ODOF ho an’ny distrikan’Antsohihy omaly Alahady 21 Jolay 2024. Milina fanodinana tantely izy io noho i Antsohihy mamokatra tantely hatramin’ny 12 taonina isan-taona.
“Tombony ho an’ny tanànan’Antsohihy sy ny Faritra Sofia manontolo ny fisian’ny Orinasa tahaka izao hanodina sy hampahatsara ny vokatr’ireo tantsaha ka hahatonga azy ireo hamokatra no sady hahazo tombony sy hanana lalam-barotra matotra tsara”, hoy i Ramatoa Nasolo Razafindramaso ao anatin’ny ekipa ODOF eto amin’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) tany Antsohihy.
Voafantina hitantana ny Taninketsa Indostrialy ao Antsohihy ny Orinasa HONEY ANTS izay miara-miasa amin’ny kaoperativa miisa 10 ivondronan’ny mpiompy tantely. Vinavinaina hamokatra tantely 20 taonina isan-taona Antsohihy sy ny manodidina afaka 2 taona ary 30 taonina afaka 5 taona.
Manomboka ny volana Mey ka hatramin’ny volana Novambra ny fanokafana tantely. Eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 15 litatra isaky ny tranon-tantely ny vokatra azo. Ary miisa 10 NY Koperativa miara miasa Amin’ny HONEY ANTS.
Nisaotra ny fitondram-panjakana ireo nandray fitenenana, indrindra fa ny Governoran’ny Faritra Sofia, ny Jeneraly Lylyson René de Roland, izay nanindry mafy fa ny Faritra sofia dia isan’ny tena manana vokatra ary betsaka amin’ireny no azo aodina. Nankasitraka Fanjakana sy ny Minisitera tsy nanadino ny Faritra Sofia koa ny Solombavambahoaka voafidy tao Mandritsara, André Razakamanana. Nanamafy ny fahavononan’izy ireo hiara-hiasa amin’ny Ministera hatrany hampandrosoana ny fihariana izay ataon’izy ireo kosa ny solontenan’ny kaoperativa.

Vous aimerez aussi...