Voly fanondrana

Tsara ny vokatra lavanila maitso any amin’ny Faritra Sofia
Na somary nihena aza ny vokatra dia hita kosa fa tsara ny kalitaony any amin’ny kaominina telo Ambohimisondrotra, Ambodisikidy, Ambararata izay misy tsenan-davanila any amin’ny Distrika Bealanana. Any amin’ny 70km miala ny renivohitry ny distrika ny akaiky indrindra amin’ireo toerana notsirihan’ny ekipan’ny Fitalevam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRIC) Sofia ireo. Nandritra ny hateloana, ny Zoma 16, Sabotsy 17 ary ny Alahady 18 Aogositra 2024, no nanatanterahana ny fidinana ifotony. Lohalaharana amin’ny habetsahan’ny vokatra lavanila ireo kaominina ireo tamin’ity taona ity raha ho an’ny Faritra Sofia. Mandeha araka ny tokony ho izy ny tsena. Eo amin’ny 25000 Ar hatramin’ny 30000 Ar ny vidin’ny iray kilao amin’ny lavanila maitso.
Mblola betsaka ny kaominina izay mbola tsy misokatra ny tsena ao aminy any amin’ny Distrika telo Mandritsara, Bealanana ary Befandriana, ao anatin’ny Faritra Sofia. Mila hajaina ny tetiandro mba hitsinjovana ny kalitaon’ny vokatra, araka ny fanamafisan’ny DRIC. Nentanina, araka izany, ireo mpamboly sy mpanangom-bokatra hitandrina ny fepetra isan-tsokajiny. Nambara ihany koa ny Lalàna sy ny fombafomba momba ny fikirakirana ny vokatra.

Source: DRIC

Vous aimerez aussi...