Fiaraha-miasa

Manohana ny ezaky ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) ny PNUD ho fanohanana ny Sehatra tsy miankina sy fanatsarana ny taha-pahavitrihan’i Madagasikara amin’ny varotra sy fandraharahana
“Indostria sy varotra miroborobo”. Izany no tanjon’ny fiaraha-mientan’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD) sy ny MIC ho an’ny Sehatra tsy miankina.
Mitondra fanatsarana amin’ny fandraisana ankapobeny sy kalitaon’ny tolotr’andraikitra amin’ny maha-mpisahana raharaham-bahoaka azy na « service public » mba hahatomombana ny fampiasam-bola ny fitaleavana rehetra eo anivon’ny MIC.
Nanamafy ny fanohanany ny ezaka ataon’ny Minisitera, araka izany, ny solontena avy amin’ny PNUD niara-nanatanteraka dinik’asa tamin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny MIC tetsy Ambohidahy omaly Talata 20 Aogositra 2024.
Mba hampaharitra ny fihatsarana apetraka dia harafitra ho “fandaharan’asa” manaraka ny Politika ankapoben’ny Fanjakana izany. Harahina fakan-kevitra amin’ny sehatra tsy miankina ary ireo rafi-panjakana hafa ary hatrany amin’ny faritra ny famolavolana izany. Kendrena ny hananana olona matihanina sy fitaovana mamaly amin’ny filan’ny mpandraharaha ka hihatsaran’ny taha-pahavitrihan’ny malagasy eto an-toerana hifaninana amin’ny sehatra rejionaly ary indindra hanatsarana ny ekonomia malagasy.

Vous aimerez aussi...